Fiara mpitatra olona marika « Mercedes 307 » mampitohy an’Ampangabe Ambohitrimanjaka no nirehitra tetsy 67ha, omaly hariva. Tsy nisy azo noraisina intsony ny rehetra tamin’ity fiara ity. Nitondra mpandeha izy tamin’io fotoana io saingy avotra soa aman-tsara sy tafavoaka ara-potoana avokoa izy rehetra raha vao niatomboka fotsiny ny afo. Raha ny angom-baovao azo teny an-toerana, vokatry ny tselatr’afo nahazo ireo solika nentin’ity fiara ity no nahatonga ny loza. Nisy « bidon » feno lasantsy ny entan’ireo mpandeha. Azo heverina fa mety ho tsy nisarona tsara izany « bidon » izany ka niparitaka ny solika tao anatiny. Sendra ny loza efa ho avy kosa ka naharay tselatr’afo izany ary dia nirehitra. Samy nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo ireo nahita rehetra niaraka tamin’ny mpamilin’izany fiara izany, ary nony farany dia maty ihany izany. Saingy io karaokam-by io sisa azo noraisina tamin’ilay taxi-brousse. Fa ankoatra izay dia nandeha be ny feo teny an-toerana fa hoe nisy nanipy « cocktail Molotov » ity fiara ity. Noho ny antony izay tsy fantatra loatra. Tsy nisy afaka nanamarina izany filazana izany anefa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Na izany aza anefa dia fantatra fa noraisina an-tanana ihany ny raharaha, ary efa misy ny fanadihadiana atao.
m.L