Na amin’ny tanàna misy mpiambina na tsia dia toa atahorana foana ny fisian’ny mpangalatra fiara. Toy ity nitranga teny 67ha, ny alatsinainy lasa teo ity. Lehilahy iray no tratra ambodiomby raha saika hangalatra fiara Mazda, nipetraka tsara tanaty parking. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia telolahy izy ireo no saika hanatanteraka ity asa ratsiny ity, saingy tafatsoaka ireo roalahy ambiny. « Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any dia tratran’ny mpiambina parking ambodiomby tao anatin’ny fiara Mazda saika hangalariny ny lehiahy iray antsoina hoe Tiana. Nopitsohiny ny varavaran’ilay fiara nipetraka teo amin’ny parking teny 67 Ha Atsimo saingy tsikaritry ny mpiambina izany ka voasambotra ny lehilahy » hoy ny vaovao. Nampilazana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka tonga teny an-toerana ny pôlisy avy amin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava sakelika fahefatra tetsy Anosy. « Tamin’ny fanadihadiana natao azy, hoy hatrany ny vaovao, no nilazany fa telo lahy izy ireo no nanao io asa ratsy io, saingy tafatsoaka ny roalahy dia i Solofo sy i Jean Michel ». Mpiray tanàna eny amin’iny faritra Anosibe iny ihany izy telolahy ireto, raha ny fanazavana azo. Io maraina io ihany dia efa voapaingotry ny mpitandro filaminana teny an-toerana izy roalahy tafaporitsaka ireto. Tao anatin’ny fanadihadiana hatrany, araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana, no nahafantarana fa mbola misy olona hafa, mpiray tsikombakomba amin’izy telolahy ireto, ary mbola karohina amin’izao fotoana izao. Marihina fa vehivavy ny iray amin’izy ireo, izay isan’ireo mpividy ny entana halatra avy nalain’ireto jiolahy ireto. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy telolahy ireto. Fantatra tamin’izany fa ny iray tamin’izy ireo no nalefa avy hatrany any am-ponja miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Tsapa tokoa fa tato ho ato izay dia niverina nirongatra indray fangalarana fiara. Ireo fiarabe fitaterana indray no lasibatra tamin’izany. Vao tsy ela akory mantsy izay no nisehoana halatra fiara, mbola teny amin’iny faritra 67ha iny hatrany. Tany Betafo vao hita ilay fiara very teto an-drenivohitra.
m.L