- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Teratany vahiny niaraka tamina fitombokasem-panjakana hosoka

67ha : Teratany vahiny niaraka tamina fitombokasem-panjakana hosoka

Fitokombakasem-panjakana hosoka maromaro no tratra tany amina teratany vahiny iray, omaly teny amin’iny faritra 67ha iny, raha nanao fisavàna tao an-tranony ny pôlisy misahana ny fitsikilovana ny sisin-tany. Tao anatin’izany ny fitombokasem-panjakanan’ny Repoblikan’i Kaomoro, ny an’ny ministeran’ny atitany eto amintsika, ny an’ny Praiministra, ary ny maro hafa. Miisa 16 no isan’ireto fitombokase hosoka ireto raha ny fanazavàna azo. Izany araka ny fantatra dia nataony ho fanamboarana ireo karazan-taratasim-panjakana hosoka, toy ny « passeport » sy ny « visa ». Tsy vitan’ireo fa mbola nahitàna « passeport » sandoka roa tao amin’ity teratany vahiny, ny iray efa vita, ary ny iray kosa no nataony ho karazana môdely ho an’ireo teratany tonga mitady izany ao aminy. Efa ela no efa nahazo vaovao mahakasika ity ranamana eny 67ha ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana, manoloana ireo karazana taratasim-panjakana hosoka eny am-pelatanan’izay vahiny tratra. Samy nanondro avokoa ireto farany fa tany amin’ity olona ity  no fanaovan’izy ireo izany ary, mitentina eo amin’ny iray tapitrisa ariary ka hatramin’ny roa tapitrisa ariary no fanaovany izany, arakaraka ny fetr’andro ilaina ao anaty « visa ». Hatreto dia Djibotianina sy Kaomorianina no nahatratrarana izany « passeport » sy « visa » sandoka izany, raha ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraiktira voalohany eo anivon’ny pôlisy misahana ny fanaraha-maso ny sisintany. Nanatanteraka fidinana ifotony tao an-tranon’ity teratany vahiny ity ireto mpitandro filaminana ireto, omaly tokony ho tamin’ny enina ora maraina ka izao tratra am-bodiomby izao izy. Nosamborina avy hatrany moa ity olona ity, ary nentina nanaovana fanadihadiana. Ezaka goavana tokoa ity vitan’ny pôlisy misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany ity, amin’izao fisamborana ireny fanetriben’ny firenena ireny. Raha ny fantatra mantsy dia saika ity olona ity avokoa no atidoha ao ambadiky ny fanamboarana ireny « passeport » sy « visa » sandoka ireny, ka ahafahan’izao karazan’olona avy any ivelany rehetra izao, miditra malalaka eto amintsika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici