- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Tontakely tra-tehaka saika hanendaka pôlisy

67ha : Tontakely tra-tehaka saika hanendaka pôlisy

Tovolahy iray no voasambotry ny pôlisy tetsy 67ha , raha nikasa ny hanendaka … pôlisy tsy nanao fanamiana, ny harivan’ny talata teo.

Izany tokoa no tonga amin’ilay fitenena hoe, ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra ! Araka ny fanazavana azo amin’ny pôlisim-pirenena, dia mpitandro filaminana iray tsy nanao fanamiana no sendra nanajanona ny fiarany, tetsy 67ha Avaratra, tsy lavitra akory ny Paositra, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. Nahita izany ireto roa lahy ka nanatona tsimoramora ary nihevitra ny hanao ny asa ratsiny tamin’ilay tompon’ny fiara.  « Saika haka ny finday izay nipetraka teo amin’ny sezan’ny mpandeha eo aloha » izy ireo hoy ny fampitam-baovao azo. Ny tsy nampoizin’izy  mirahalahy ireto anefa dia hay pôlisy ity nitondra ny fiara, ary voatazona teo am-pangalàna izany finday izay ny tanan’ilay iray. Nampiseho avy hatrany ny maha-mpitandro filaminana azy ilay mpamily. Raha vao nahita izany kosa ny namany avy hatrany dia nitsoaka. Voatazona teo, tsy afa-nihetsika moa iry voalohany, ary afaka niporitsaka kosa ilay faharoa. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito ity mpanendaka ity mba atao famotorana. Ilay finday moa dia mbola tratra teny an-tanany teny. Filazan’ny nanatri-maso izany, dia toa hoe mbola nisy zavatra hafa, karazana fitaovana fampiasan’ireto mpanendaka ireto amin’ny asa ratsiny tratra teny amin’ity mpanendaka ity. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana izany moa ireo tomponandraikitra. Efa mandeha kosa ny fikarohana ilay namany. Sasatry ny miaina tokoa, hoy ilay fitenenana izay ! Misimisia ny toa izany …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici