- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67Ha : Tranon-jiro nipoaka sy nirehitra, anaty haizina ny tanàna

67Ha : Tranon-jiro nipoaka sy nirehitra, anaty haizina ny tanàna

May-1Hatairana avokoa ny an’ireo mponina. Tranon-jiro lehibe iray mantsy no nirefotra mafy dia mafy, avy eo nirehitra. Teny amin’iny faritra 67ha avaratra atsinanana iny no nitrangan’izany, tokony ho tamin’ny 7 ora maraina teo. Avy hatrany dia setroka mainty, fofona maimbo raikona sy lela afo no nijoalajoala teo amin’ilay tranon-jiro. Raha ny fanazavana azo dia noho ny tsy fahazakan’ilay « transformateur » tao no antony nampipoaka an’ity tranon-jiro ity, noho ny habetsak’ireo olona mpampiasa jiro. Ambonin’izay, saika zavatra matanjaka avokoa no ampiasain’ireo olona ireo. Manginy fotsiny ny halatra jiro ataon’ny sasany, hoy ny tompon’andraikitra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny Jirama, niaraka tamin’ireo mpamonjy voina. Naharitra ora maromaro ny fifehezana izany, vao tena maty tanteraka ny afo, nandevona tsy nisy noraisina ireo fitaovana tao amin’ity tranon-jiro ity. Tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra tamin’ity fahamaizana ity. Voafehy tsy hiparitaka ihany koa ny afo. Na izany na tsy izany, hilona anaty haizina tanteraka indray iny faritra iny, indrindra fa ireo tokantrano mifandray mivantana amin’ity fotodrafitrasa ity. Ary mety ho anatin’ny fotoana lavalava mihitsy. Mety ho elaela mantsy vao ho vitan’ireo tompon’andraikitra sy hiverina amin’ny laoniny tanteraka izany. Ka inona moa fa dia handray ny taona vaovao anaty haizina tanteraka iny faritra iny, izay efa malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriam-pahelamana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici