- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Nivezivezy teny indray ny Gsis

Andraharo : Nivezivezy teny indray ny Gsis

Nahitàna olona iray nentina mpitandro filaminana misaron-tava teny amin’iny vahalavan’Ambohimanarina iny, omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo. Nijanona teo amina toerana iray teo Andraharo izy ireo nony avy teo ary lasa. Am-polony any ho any ireto mpitandro filaminana voaofana manokana avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena ireto na ny Gsis ary tanatina fiara tsy mataho-dalana iray miloko manga. Fa misy inona loatra ? Io no fanontaniana eny am-bavan’ny maro amin’izao hetsika hafahafa ataon’ireto mpitandro filaminana manokana ireto eto Andrenivohitra. Hatreto anefa dia samy tsy misy ahitam-panazavana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy raha nanontanianay. Antony vao mainka mampisavorovoro ny rehetra, toy izay nitranga afak’omaly teny 67ha Avaratra, akaikina toeram-pivavahana silamo iray. Zavatra hafa indray ve izany sa tohin’iny tranga iny ihany ity hita teny Andraharo ity ? Ary inona ireto olona ambenana fatratra ireto : mpanao fanafihana mahery vaika, mpaka an-keriny sa mpampihorohoro ? Marihana mantsy, raha ny fanazavana azo, fa tsy avoaka ireto Gsis ireto raha tsy amin’ny tranga mety hisiana fifanandrinana mahery vaika. Andrasana araka izay fanazavana ataon’ireo tompon’andraikitra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici