Nahitàna olona iray nentina mpitandro filaminana misaron-tava teny amin’iny vahalavan’Ambohimanarina iny, omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo. Nijanona teo amina toerana iray teo Andraharo izy ireo nony avy teo ary lasa. Am-polony any ho any ireto mpitandro filaminana voaofana manokana avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena ireto na ny Gsis ary tanatina fiara tsy mataho-dalana iray miloko manga. Fa misy inona loatra ? Io no fanontaniana eny am-bavan’ny maro amin’izao hetsika hafahafa ataon’ireto mpitandro filaminana manokana ireto eto Andrenivohitra. Hatreto anefa dia samy tsy misy ahitam-panazavana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy raha nanontanianay. Antony vao mainka mampisavorovoro ny rehetra, toy izay nitranga afak’omaly teny 67ha Avaratra, akaikina toeram-pivavahana silamo iray. Zavatra hafa indray ve izany sa tohin’iny tranga iny ihany ity hita teny Andraharo ity ? Ary inona ireto olona ambenana fatratra ireto : mpanao fanafihana mahery vaika, mpaka an-keriny sa mpampihorohoro ? Marihana mantsy, raha ny fanazavana azo, fa tsy avoaka ireto Gsis ireto raha tsy amin’ny tranga mety hisiana fifanandrinana mahery vaika. Andrasana araka izay fanazavana ataon’ireo tompon’andraikitra.
m.L