Ela nanaovan-dratsy, ka noraisim-potsiny, tao anatin’ny fotoana fohy ary tsy afa-niala intsony, tamin’ny alalan’ny vela-pandrika kely tsy nampoiziny ny enin-dahy nangalatra lakolosim-piangonana tao Ambohitririana Distrikan’i Betafo, ny faran’ny herinandro teo. Telo volana taty aoriana, hita ny lakolosim-piangonan’ny EKAR Ambohitririana, izay ireto enin-dahy zanaky ny Fiangonana mponina ao amin’ny Kaominina Mandritsara-Betafo ihany no nahavanon-doza nangalatra ny zava-masina, ny volana mey lasa teo. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, dia ny efatra no tena nangalatra ilay lakolosim-piangonana, ny volana mey lasa teo, fa ny roa lahy tamin’ireo voasambotra kosa nitady mpividy, ka teo am-pitadiavana mpividy no tra-tehaky ny Zandary avy ao Andranomadio, ny 5 aogositra teo.
Eric Manitrisa