- Publicité -
lundi, septembre 21, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetafo : Enin-dahy mpangalatra lakolosim-piangonana, voasambotra

Betafo : Enin-dahy mpangalatra lakolosim-piangonana, voasambotra

Ela nanaovan-dratsy, ka noraisim-potsiny, tao anatin’ny fotoana fohy ary tsy afa-niala intsony, tamin’ny alalan’ny vela-pandrika kely tsy nampoiziny ny enin-dahy nangalatra lakolosim-piangonana tao Ambohitririana Distrikan’i Betafo, ny faran’ny herinandro teo. Telo volana taty aoriana, hita ny lakolosim-piangonan’ny EKAR Ambohitririana, izay ireto enin-dahy zanaky ny Fiangonana mponina ao amin’ny Kaominina Mandritsara-Betafo ihany no nahavanon-doza nangalatra ny zava-masina, ny volana mey lasa teo. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, dia ny efatra no tena nangalatra ilay lakolosim-piangonana, ny volana mey lasa teo, fa ny roa lahy tamin’ireo voasambotra kosa nitady mpividy, ka teo am-pitadiavana mpividy no tra-tehaky ny Zandary avy ao Andranomadio, ny 5 aogositra teo.

Eric Manitrisa 

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici