Taorian’ny fifandonana nahery vaika nisy teo amin’ireo andian-dahalo avy nangalatra omby tao an-tanànan’ i Kirano, any amin’ny distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony, sy ny mpitandro filaminana nampian’ireo fokonolona, dia malaso telo no maty voatifitra, afak’ omaly. Lehilahy iray mpanara-dia kosa no namoy ny ainy voatifitr’ireo dahalo ary tapa-tanana mihitsy ity raim-pianakaviana mbola tanora ity. Basy iray nentin’ireo dahalo no sarona tamin’ny malaso maty. Raha ny loharanom-baovao voaray dia tafaverina soa aman-tsara amin’ny tompony ny omby folo nangalarin’ny dahalo.
Eric Manitrisa