- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Lehilahy iray nahatratrarana basy « revolver » tsy ara-dalàna, voasambotry...

Sambava : Lehilahy iray nahatratrarana basy « revolver » tsy ara-dalàna, voasambotry ny zandary

Miparitaka ny basy tsy ara-dalàna amin’izao, ka mirongatra izay tsy izy ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana, ary ny vahoaka hatrany no mitondra ny tsy eran’ny ainy sy tra-doza mahatsiaro tena tsy voaaro intsony ankehitriny amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy. Mandry andriran’antsy lava ny mponina, na  an-tanan-dehibe io na ambanivolo. Afak’omaly, lehilahy iray no voasambotry ny mpitandro filaminana nahatrarana basy tsy ara-dalàna revolver iray marika 2 LN-QR, tany Sambava, renivohitry ny Faritra SAVA. Araka ny tati-baovao voaray, dia noho ny fiaraha-miasa matotra avy tamin’olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana no nahazoana izao vokatra izao. Taorian’ny fisavana nanomboka ny telo novambra lasa teo mantsy, dia tratra tao an-tranon’ity lehilahy voalaza fa mahery setra sy mpihetraketraka ity io basy tsy ara-dalàna io. Atao famotorana lalina sy tazomina ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Sambava miaraka amin’ny basy ity lehilahy nahatratrarana basy tsy ara-dalàna ity ankehitriny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici