- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSambava : Lehilahy iray nahatratrarana basy « revolver » tsy ara-dalàna, voasambotry...

Sambava : Lehilahy iray nahatratrarana basy « revolver » tsy ara-dalàna, voasambotry ny zandary

Miparitaka ny basy tsy ara-dalàna amin’izao, ka mirongatra izay tsy izy ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana, ary ny vahoaka hatrany no mitondra ny tsy eran’ny ainy sy tra-doza mahatsiaro tena tsy voaaro intsony ankehitriny amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy. Mandry andriran’antsy lava ny mponina, na  an-tanan-dehibe io na ambanivolo. Afak’omaly, lehilahy iray no voasambotry ny mpitandro filaminana nahatrarana basy tsy ara-dalàna revolver iray marika 2 LN-QR, tany Sambava, renivohitry ny Faritra SAVA. Araka ny tati-baovao voaray, dia noho ny fiaraha-miasa matotra avy tamin’olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana no nahazoana izao vokatra izao. Taorian’ny fisavana nanomboka ny telo novambra lasa teo mantsy, dia tratra tao an-tranon’ity lehilahy voalaza fa mahery setra sy mpihetraketraka ity io basy tsy ara-dalàna io. Atao famotorana lalina sy tazomina ao amin’ny borigadin’ny zandarimaria Sambava miaraka amin’ny basy ity lehilahy nahatratrarana basy tsy ara-dalàna ity ankehitriny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici