- Publicité -
dimanche, septembre 20, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMangabe-Maevatanàna : Nilentika tao amin’ny reniranon’i Betsiboka ny lakana, olona iray maty.

Mangabe-Maevatanàna : Nilentika tao amin’ny reniranon’i Betsiboka ny lakana, olona iray maty.

Rendrika tao amin’ny reniranon’i Bestiboka sy Ikopa ny alahady 15 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina ny lakana. Niainga avy teny Mangabe izy telolahy mpitondra lakana. Katsaka miisa 12 gony no noentin’izy ireo ho eto  Maevatanàna . Raha ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’i Mangabe, Atoa Ricahard. Tratran’ny loharanon’i Betsiboka ity lakana ity, ka nihetsika mafy. Izany no nahatonga ny loza. Nilentika moramora ny lakana, ary nanaraka hatramin’ny vatany manontolo. Olona iray antsoina hoe Avisoa no maty, rehefa tsy  nahay nilomano. Avotra soa aman-tsara kosa ny roalahy namany, tsy hita lasan’ny rano kosa ilay katsaka 12 gony. Ny alatsinainy teo kosa no hitan’olona teny amoron’ny rano ny fatin’ilay rangahy, ary efa natolotra ny fianakaviany any Mangabe ny razana.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici