Rendrika tao amin’ny reniranon’i Bestiboka sy Ikopa ny alahady 15 aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina ny lakana. Niainga avy teny Mangabe izy telolahy mpitondra lakana. Katsaka miisa 12 gony no noentin’izy ireo ho eto Maevatanàna . Raha ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’i Mangabe, Atoa Ricahard. Tratran’ny loharanon’i Betsiboka ity lakana ity, ka nihetsika mafy. Izany no nahatonga ny loza. Nilentika moramora ny lakana, ary nanaraka hatramin’ny vatany manontolo. Olona iray antsoina hoe Avisoa no maty, rehefa tsy nahay nilomano. Avotra soa aman-tsara kosa ny roalahy namany, tsy hita lasan’ny rano kosa ilay katsaka 12 gony. Ny alatsinainy teo kosa no hitan’olona teny amoron’ny rano ny fatin’ilay rangahy, ary efa natolotra ny fianakaviany any Mangabe ny razana.
Ratantely


