- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Ankizivavy 13 taona mpianatry ny Epp, tsy hita popoka efa...

Sambava : Ankizivavy 13 taona mpianatry ny Epp, tsy hita popoka efa ho herinandro

Tato ho ato, raha ny fampitam-baovao voaray, dia mitombo isa ireo zaza very sy tsy ampy taona mitsoaka ny tokantranon’ny Ray aman-dreniny any amin’ny tapany Avaratry ny nosy iny. Ary mahoraka indray ankehitriny ny hala-jaza any amin’ny Distrikan’ Ambilobe sy ao Sambava. Ankizivavy 13 taona, izay mpianatra ao amin’ny Epp Sambava-Centre, kilasy T4 (8ème) no tsy hita popoka efa ho herinandro, ary tsy fantatra na maty na velona  amin’izao. Ny harivan’ny alarobia 9 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, no niala ny tokantranon-dRay aman-dreniny, tao amin’ny fokontany Ambodisatrana I, ambadiky ny kianja filalaovam-baolina, Razanabola Manantena Sisiana, ka mbola tsy hita mandrake androany, na dia efa nokarohin’ny mpitandro filaminana sy ny fianakaviany fatratra hatraiza hatraiza aza ity « tsaiky hely » ity, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici