- Publicité -
lundi, juin 2, 2025
AccueilFaits-DiversVaky ny Vavasaha tany Sambava: Mirongatra ny fivarotan-tenan’ ny ankizy tsy ampy...

Vaky ny Vavasaha tany Sambava: Mirongatra ny fivarotan-tenan’ ny ankizy tsy ampy taona

Taorian’ny fahavakisan’ny vavasaha (fisokafan’ny taom-piotazana lavanila tamin’ny fomba ofisialy), ny 15 jolay teo, dia nirongatra izay tsy izy ny fivarotan-tena ataon’ireo ankizy tsy ampy taona, ary roboka nanome fahafinaretana ara-nofo an’ireo mpanam-bola hatramin’ny tovolahy, ary efa lasa lamaody sahy haseho masoandro any an-toerana ankehitriny ny fiarahan’ny lahy samy lahy. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana, fa manodidina ny telo hetsy Ariary eo ny vidim-pitombenana, ary tovolahy iray misy miaraka amin’ olona telo samihafa ao anatin’ny indray andro. Avy amina faritra maro ireo tanora mivaro-tena ao Sambava, ka misy ny avy aty an-drenivohitra. Raha ny nambaran’ireo mpampanofa tena, dia ny faran’ny herinandro no tena mandeha be ny tsenan’izy ireo, ka ireo tovovavy vahiny fotsy fihodirana malama volo (tsy makoa) sy ireo zarazara hoditra « frisé » volo izay lava bikana no tena be mpitady, raha tovolahy (manafo) ranjanana kosa no be mpanjifa, ka misy amin’ireo tsy ampy taona mivaro-tena no mahazo hatramin’ny iray tapitrisa Ariary.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici