- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodimanga- Betsiboka : Fakana an-keriny, olona fito voasambotra, mpimasy ny iray

Ambodimanga- Betsiboka : Fakana an-keriny, olona fito voasambotra, mpimasy ny iray

Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fahavotsoran’ilay Rtoa antsoina hoe “ Lalaina” ; izay nalain’ny jiolahy  15 an-keriny tany Ambodimanga-Betsiboka ny mpitandro ny filaminana aty an-toerana, fa niroso hatrany tamin’ny fanadihadiana hikarohana ireo olon-dratsy. Araka ny fanazavana azo avy tamin’ny Zandary hatrany, dia olona  fito niampy mpimasy hatreto no voasambotra, raha ilay raharaha fakana an-keriny tao Ambodimanga-Betsiboka. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia mpiray tambajotra amin’ireo mpaka an-keriny ireto voasambotra ireto, fa tsy mbola ireo nandray anjara nivantana akory. Araka ny loharanom-baovao hatrany, dia mpanome fanafody ampiasain’ny dahalo sy mpanafina an’ilay Rtoa notànana an-keriny ireto olona ireto. Misy amin’izy ireo ihany koa ireo irakiraka, mpandeha mividy zavatra tany an-tanàna toy ny fahana amin’ny finday niantsoan’izy ireo amin’ilay fitakiana vola. Etsy an-danin’izay kosa dia fantatra fa salama vatana sy saina ary efa mahavita mandehandeha tsara eto an-tampon-tananan’i Maevatanàna kosa Rtoa Lalaina, izay vao votsotra andro maromaro lasa izay. Efa eo am-pelantanan’ny Zandary ao amin’ny GAPJ na “ Groupe D’ Appuis à la Police Judiciaire Maevatanàna” ny raharaha, ary mbola atao famotorana izy fito ireo, izay hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Etsy an-danin’izay kosa, dia mbola eo am-pikarohana ireo jiolahy anisan’ny nandray anjara nivantana ny Zandary amin’izao fotoana izao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici