- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbovombe : Mirongatra ny asan-dahalo, mitsoa-ponenana tsy fidiny ireo mponina ambanivolo

Ambovombe : Mirongatra ny asan-dahalo, mitsoa-ponenana tsy fidiny ireo mponina ambanivolo

Mampiteny ny moana ankehitriny ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’ Ambovombe Androy, ka maro amin’ny mponina ambanivohitra no lasa mitsoa-ponenana tsy fidiny mamonjy ny renivohitry ny Kaominina na Distrika, ka ahiana ny tsy hisian’ny mpifidy amina birao fandatsaham-bato maromaro amin’ny fifidianana ho avy io, satria lasa haolo ny tanàna sasany noho ny fihoaram-pefy ataon’ny malaso, izay anaovan’ny vahoaka lasibatra antso avo andro aman’alina amin’ny fitondram-panjakana. Araka ny tati-baovao voaray, dia trangana halatra omby arahina vono olona sy fakana an-keriny indroa na intelo isan-kerinandro no miseho any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampotaka. Toy izany ihany koa ny ao Manombo, ka mitondra faisana amin’izany ireo mpiompy monina any amin’ny fokontany saro-dalana tsy misy tambajotram-pifandraisana sady lavitra tobina mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici