- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe : Mirongatra ny asan-dahalo, mitsoa-ponenana tsy fidiny ireo mponina ambanivolo

Ambovombe : Mirongatra ny asan-dahalo, mitsoa-ponenana tsy fidiny ireo mponina ambanivolo

Mampiteny ny moana ankehitriny ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’ Ambovombe Androy, ka maro amin’ny mponina ambanivohitra no lasa mitsoa-ponenana tsy fidiny mamonjy ny renivohitry ny Kaominina na Distrika, ka ahiana ny tsy hisian’ny mpifidy amina birao fandatsaham-bato maromaro amin’ny fifidianana ho avy io, satria lasa haolo ny tanàna sasany noho ny fihoaram-pefy ataon’ny malaso, izay anaovan’ny vahoaka lasibatra antso avo andro aman’alina amin’ny fitondram-panjakana. Araka ny tati-baovao voaray, dia trangana halatra omby arahina vono olona sy fakana an-keriny indroa na intelo isan-kerinandro no miseho any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampotaka. Toy izany ihany koa ny ao Manombo, ka mitondra faisana amin’izany ireo mpiompy monina any amin’ny fokontany saro-dalana tsy misy tambajotram-pifandraisana sady lavitra tobina mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici