- Publicité -
mardi, décembre 16, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Hasarotam-piaro sy olana ara-bola, novonoin-drangahy ny vadiny

Fianarantsoa : Hasarotam-piaro sy olana ara-bola, novonoin-drangahy ny vadiny

Renim-pianakaviana tanora iray  manodidina ny 30 taona eo no miady mafy amin’ny fahafatesana hatramin’izao ; izay novonoim-badiny omaly nisandratr’andro tao Ampopoka Fianarantsoa. Araka ny tati-baovao voaray, dia hasarotam-piaro (ampangain-drangahy ho mampirafy azy amin’ny mpamily mpanampina fiara fitateram-bahoaka) sy nifangaro olana ara-bola no fototry ny ady teo amin’ireto mpivady mpivarotra saribao nanomboka ny harivan’ny alarobia teo. Nony naraina ny andro, dia mbola nitohy ny ady teo amin’ireto mpivady manan-janaka telo mianadahy ireto, rehefa notenenin-dramatoa tamin’ny fandaniam-bola amin’ny galeoka rangahy vadiny, izay niboboka toaka vao maraina. Tezitra mafy ity raim-pianakaviana ity raha naheno ny latsam-badiny, ka naka famaky namonoany am-badiny. Na niezaka niaro tena sy niantso vonjy ramatoa, dia naratra mafy. Noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka dia nitsoaka ny nahavanon-doza, ka mbola nokarohina fatratra hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, raha ny akom-baovao azo hatrany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici