Renim-pianakaviana tanora iray manodidina ny 30 taona eo no miady mafy amin’ny fahafatesana hatramin’izao ; izay novonoim-badiny omaly nisandratr’andro tao Ampopoka Fianarantsoa. Araka ny tati-baovao voaray, dia hasarotam-piaro (ampangain-drangahy ho mampirafy azy amin’ny mpamily mpanampina fiara fitateram-bahoaka) sy nifangaro olana ara-bola no fototry ny ady teo amin’ireto mpivady mpivarotra saribao nanomboka ny harivan’ny alarobia teo. Nony naraina ny andro, dia mbola nitohy ny ady teo amin’ireto mpivady manan-janaka telo mianadahy ireto, rehefa notenenin-dramatoa tamin’ny fandaniam-bola amin’ny galeoka rangahy vadiny, izay niboboka toaka vao maraina. Tezitra mafy ity raim-pianakaviana ity raha naheno ny latsam-badiny, ka naka famaky namonoany am-badiny. Na niezaka niaro tena sy niantso vonjy ramatoa, dia naratra mafy. Noho ny tahotry ny fitsaram-bahoaka dia nitsoaka ny nahavanon-doza, ka mbola nokarohina fatratra hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, raha ny akom-baovao azo hatrany.
Eric Manitrisa