Ho fanatanterahana ny vivan’ny Filohampirenena ny amin’ny handrakofana ala an’i Madagasika dia manana tanjona ny hamboly hazo amina velaran-tany 10.000 ha isan-taona ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Noho izany, notontosaina ny zoma 02 aogositra 2019 teo ny fifanaovan-tsonina fifanaraha-mpihara-miasa teo amin’ny Tafika Malagasy sy ny orinasa tsy miankina misahana izany: ny “Graine de vie” izay eo anivon’ny “association Akamasoa” Ambohimangakely. Nanao sonia izany ny Jeneraly Rakotonirina Théophile, Lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy sy Andriamatoa Fréderic Debouche, filoha mpanorina ny fikambana « Graine de vie » izay notronin’ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue, Seketera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Mifototra amin’ny teboka telo lehibe ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Voalohany, ny fisafidianana ireo faritra sy toerana hanatanterahana ny fambolen-kazo 10.000 ha isan-taona izay anjaran’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Manaraka izany ny famatsiana ny voa izay ho volena. Ary ny fahatelo farany dia ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo hazo voavoly amin’ny doro-tanety sy ny fitrandrahana ala tsy ara-dalana. Eto amin’ity roa farany no hidiran’ity fikambanana ity, izay efa nijoro teto Madagasikara nanomboka ny taona 2009 ary havanana amin’ny famokarana zana-kazo. Noho izany, tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hanao fambolen-kazo miainga amin’ny voa fa tsy zana-kazo intsony toy izay mahazatra hatrizay. Hanomboka ny volana novambra 2019 ho avy izao izany ka hatramin’ny volana martsa 2020.
T.M.