- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversMinisiteran’ny fiarovam-pirenena : Hamboly hazo amina velaran-tany 10.000 ha isan-taona

Minisiteran’ny fiarovam-pirenena : Hamboly hazo amina velaran-tany 10.000 ha isan-taona

Ho fanatanterahana ny vivan’ny Filohampirenena ny amin’ny handrakofana ala an’i Madagasika dia manana tanjona ny hamboly hazo amina velaran-tany 10.000 ha isan-taona ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Noho izany, notontosaina ny zoma 02 aogositra 2019 teo ny fifanaovan-tsonina fifanaraha-mpihara-miasa teo amin’ny Tafika Malagasy sy ny orinasa tsy miankina misahana izany: ny “Graine de vie” izay eo anivon’ny “association Akamasoa” Ambohimangakely. Nanao sonia izany ny Jeneraly Rakotonirina Théophile, Lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy sy Andriamatoa Fréderic Debouche, filoha mpanorina ny fikambana « Graine de vie » izay notronin’ny Amiraly Ranaivoseheno Antoine de Padoue, Seketera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Mifototra amin’ny teboka telo lehibe ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Voalohany, ny fisafidianana ireo faritra sy toerana hanatanterahana ny fambolen-kazo 10.000 ha isan-taona izay anjaran’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Manaraka izany ny famatsiana ny voa izay ho volena. Ary ny fahatelo farany dia ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo hazo voavoly amin’ny doro-tanety sy ny fitrandrahana ala tsy ara-dalana. Eto amin’ity roa farany no hidiran’ity fikambanana ity, izay efa nijoro teto Madagasikara nanomboka ny taona 2009 ary havanana amin’ny famokarana zana-kazo. Noho izany, tanjon’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hanao fambolen-kazo miainga amin’ny voa fa tsy zana-kazo intsony toy izay mahazatra hatrizay. Hanomboka ny volana novambra 2019 ho avy izao izany ka hatramin’ny volana martsa 2020.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici