- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndilamena : Voasambotra i Barinjaka lehiben-jiolahy mitam-piadiana

Andilamena : Voasambotra i Barinjaka lehiben-jiolahy mitam-piadiana

Taorian’ny fanafihan-jiolahy nitam-piadiana nitranga tao Mahatsara, Kaominina ambanivohitra Antanimenabaka, distrikan’ Andilamena, ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora, dia voasambotra i Barinjaka lehiben-dahalo izay tovolahy vao 17 taona monja, nefa efa jiolahy ikoizana sy raindahiny nampitondra faisana olona maro tany amin’ny tapany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro iny. Rehefa voasambotra ity lehiben-dahalo tanora vao erotrerony ity, dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, nefa nalaky tonga nandamina haingana ny raharaha ny mpitandro filaminana, ary nitondra an’ity jiolahy azo sambo-belona ity natao famotorana lalina tany amin’ny birao. Raha ny tati-baovao voaray farany, mbola am-pikarohana fatratra an’ ireo jiolahy miisa efatra naman’i Barinjaka izay tafaporitsaka nandositra nandritra ny fotoana nisamborana azy ny mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici