- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndilamena : Voasambotra i Barinjaka lehiben-jiolahy mitam-piadiana

Andilamena : Voasambotra i Barinjaka lehiben-jiolahy mitam-piadiana

Taorian’ny fanafihan-jiolahy nitam-piadiana nitranga tao Mahatsara, Kaominina ambanivohitra Antanimenabaka, distrikan’ Andilamena, ny alin’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora, dia voasambotra i Barinjaka lehiben-dahalo izay tovolahy vao 17 taona monja, nefa efa jiolahy ikoizana sy raindahiny nampitondra faisana olona maro tany amin’ny tapany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro iny. Rehefa voasambotra ity lehiben-dahalo tanora vao erotrerony ity, dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, nefa nalaky tonga nandamina haingana ny raharaha ny mpitandro filaminana, ary nitondra an’ity jiolahy azo sambo-belona ity natao famotorana lalina tany amin’ny birao. Raha ny tati-baovao voaray farany, mbola am-pikarohana fatratra an’ ireo jiolahy miisa efatra naman’i Barinjaka izay tafaporitsaka nandositra nandritra ny fotoana nisamborana azy ny mpitandro filaminana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici