- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmoron’i Mania : Nahazo miaramila avy amin’ny ny Hery Vonjy taitran’ny Tafika

Amoron’i Mania : Nahazo miaramila avy amin’ny ny Hery Vonjy taitran’ny Tafika

Manoloana ireo tranga fanafihan-dahalo saika nateti-pitranga tato amin’ny Faritra Amoron’i Mania, indrindra fa ny distrika 2 akoatra an’Ambatofinandrahana, dia tonga hifanome tanana hiara-misalahy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ny Hery vonjitaitra manokan’ny Tafika Malagasy (Force d’intérvention spéciale de l’Armée Malagasy). Omaly no tonga ary noraisin’ireo solontenam-panjakana tao an-toerana ireo ireto andiany ireto, izay hisahana ny disitrikan’Ambositra Ireo izay hiasa ao amin’ny distrikan’i Manandriana kosa dia efa tonga ny sabotsy lasa teo, izay noraisin’ny solombavambahoaka tany an-toerana niaraka tamin’ny ben’ny tanana. Nisy moa ny fandraisana ofisialy sady fametrahana ny biraon’ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Ambatomarina ny alatsinainy teo. Akoatra izay dia nahazo ny atsoina hoe « brigade cannine » na ny alika mpitsongodia ny « brigade routière de la Gendarmerie » ao Ambalamanakana, izay efa nahazoana vokatra indroa miantoana. Ireo rehetra ireo dia hiara-misalahy hampandry tany aty amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ankoatra ireo tafika efa mipetraka any Ambatofinandrahana.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici