Manoloana ireo tranga fanafihan-dahalo saika nateti-pitranga tato amin’ny Faritra Amoron’i Mania, indrindra fa ny distrika 2 akoatra an’Ambatofinandrahana, dia tonga hifanome tanana hiara-misalahy amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ny Hery vonjitaitra manokan’ny Tafika Malagasy (Force d’intérvention spéciale de l’Armée Malagasy). Omaly no tonga ary noraisin’ireo solontenam-panjakana tao an-toerana ireo ireto andiany ireto, izay hisahana ny disitrikan’Ambositra Ireo izay hiasa ao amin’ny distrikan’i Manandriana kosa dia efa tonga ny sabotsy lasa teo, izay noraisin’ny solombavambahoaka tany an-toerana niaraka tamin’ny ben’ny tanana. Nisy moa ny fandraisana ofisialy sady fametrahana ny biraon’ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Ambatomarina ny alatsinainy teo. Akoatra izay dia nahazo ny atsoina hoe « brigade cannine » na ny alika mpitsongodia ny « brigade routière de la Gendarmerie » ao Ambalamanakana, izay efa nahazoana vokatra indroa miantoana. Ireo rehetra ireo dia hiara-misalahy hampandry tany aty amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ankoatra ireo tafika efa mipetraka any Ambatofinandrahana.
Anastase