Trano « manara-penitra » iray, miendrika « hotely 4 etoiles » no omena sy hikarakara ireo raiamandreny, mahery fo sy niady ho an’ny Firenena nandritry ny tolom-panafahana 1947. Napetraka omaly ny vato fototr’izany trano izany, izay notanterahin’ny Filom-pirenena notronin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy mambra hafa eo anivon’ny governemanta ary ireo olo-mana-kaja maro, sivy sy miaramila tao Moramanga.
Marihana fa rantsana iray eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny fiahiana sy fikarakarana ireo bekotromarolatra, mahery fo niady ho an’ny Firenena ny taona 1947. Tamin’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena farany tao an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro iny dia nisy ny fampanantenana nataony ny amin’ny hikarakarana manokana ireto raiamandreny ireto. « Notanany tokoa izay teniny izay, hoy ny kabary nataon’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ary dia izao notanterahiny izao ny valim-babena izay mendrika tokoa ho an’ireto mahery fontsika ireto ». Trano lehibe iray mivelatra amin’ny velaran-tany aman-jatony metatra tora-droa izay ahitàna efi-trano fatoriana, fivoriana, filalaovana, fialam-boly ary fitsaboana, tsy lavitry ny lalana satria dia manamorona indrindra iny lalam-pirenena faharoa iny no eo an-tampon-tanana. Efa vonona tanteraka any an-toerana ireo fitaovana rehetra hanantanterahana izany asa goavana izany ka io natao omaly io ny fametrahana ny vato fototra.
m.L