- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Omena ny valim-babena sahaza azy ireo « Bekotromarolatra »

Moramanga : Omena ny valim-babena sahaza azy ireo « Bekotromarolatra »

Trano « manara-penitra » iray, miendrika « hotely 4 etoiles » no omena sy hikarakara ireo raiamandreny, mahery fo sy niady ho an’ny Firenena nandritry ny tolom-panafahana 1947. Napetraka omaly ny vato fototr’izany trano izany, izay notanterahin’ny Filom-pirenena notronin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy mambra hafa eo anivon’ny governemanta ary ireo olo-mana-kaja maro, sivy sy miaramila tao Moramanga.

Marihana fa rantsana iray eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny fiahiana sy fikarakarana ireo bekotromarolatra, mahery fo niady ho an’ny Firenena ny taona 1947. Tamin’ny fandalovan’ny Filoham-pirenena farany tao an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro iny dia nisy ny fampanantenana nataony ny amin’ny hikarakarana manokana ireto raiamandreny ireto. « Notanany tokoa izay teniny izay, hoy ny kabary nataon’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ary dia izao notanterahiny izao ny valim-babena izay mendrika tokoa ho an’ireto mahery fontsika ireto ». Trano lehibe iray mivelatra amin’ny velaran-tany aman-jatony metatra tora-droa izay ahitàna efi-trano fatoriana, fivoriana, filalaovana, fialam-boly ary fitsaboana, tsy lavitry ny lalana satria dia manamorona indrindra iny lalam-pirenena faharoa iny no eo an-tampon-tanana. Efa vonona tanteraka any an-toerana ireo fitaovana rehetra hanantanterahana izany asa goavana izany ka io natao omaly io ny fametrahana ny vato fototra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici