Nohitsin’ilay fiara nifanena taminy ity taxi-be zotra 139 ity. Niala izany izy ary tafavoaka ny làlana ary nifatratra tany anaty hantsana sy ny tambohon’olona. Tsy nisy ny naratra raha araka ny fanazavan’ny polisy izay nandrindra ny fifamoivoizana. Ny nampalahelo tao anatin’izany dia ny tsy nijanonan’ilay fiara izay heverina fa tomponandraikitra. Azo lazaina ho nitsoaka izany ary nitsoaka andraikitra koa.
D.R




