- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny tao Anjozorobe : Telo mianaka avotra, olona valo voasambotra

Fakàna an-keriny tao Anjozorobe : Telo mianaka avotra, olona valo voasambotra

Nahatratra valo hatreto ireo olona nosamborin’ny zandary fehezin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central (IC), voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, ankoatra ireo izay sahy nifanehatra ka maty voatifitra moa mazava ho azy. Avotra soa aman-tsara kosa ireo telo mianaka, izay fantatra fa nalain’ny dahalo an-keriny ny voalohandohan’ny volana lasa teo. Niha-nirongotra indray tato ho ato izay ny resaka fakàna an-keriny tany amin’iny distrik’Anjozorobe iny, izay lasa mampikaikaika ny vahoaka any an-toerana. Antony iray nirotsahan’ny kaomandin’ny vondrontobim-paritra IC an-tsehatra mihitsy, hanenjika ireo dahalo sy handrindra ireo fibaikoana eny ifotony. Raha tsiahiviana tokoa mantsy dia ny 9 mey lasa teo dia nitrangan’ny fakàna an-keriny tao Antsakamaina, kaominina Anjozorobe. Telo mianaka ny lasa tamin’io fotoana io ary nitaky vola manodidina ny 15 tapitrisa ariary teo ho eo ireo olon-dratsy. Rehefa natao ny fanadihadiana isan-karazany dia fantatra fa tany amin’iny kaominina Ambohimirary iny no nanafenan’ireto olon-dratsy ireto olona nalain’izy ireo an-keriny ireo. Natao ny paik’ady isan-karazany, ny fametrahana vela-pandrika tany an-toerana ary ny fitsirihana ireo karazan’antso nifandraisan’ireo olon-dratsy tamin’ireo fianakaviana nitakian’izy ireo vola. Nahitam-bokany moa izany satria dia avotra soa aman-tsara ary efa tafaverina eny anivon’ny fianakaviany isanisany avy ireto olona lasibatra ireto : lehilahy anankiroa 47 sy 39 taona ary zazavavikely 13 taona, ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’izay kosa dia fantatra fa nisy olona maromaro ihany voarohirohy tamin’izany resaka fakàna an-keriny izany. « Hatreto, hoy ny fampitam-baovao, dia miisa valo izy ireo, saingy azo heverina fa tsy maintsy hitombo, satria mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo ambiny ». Marihina tokoa mantsy fa andian-jiolahy manodidina ny folo, nitondra basy sy zava-maranitra no nanatanteraka ity fakàna an-keriny ity. Tsy azo ihodivirana, araka izany, fa tsy maintsy mbola misy namany miriaria any. Efa nentina niakatra taty an-drenivohitra avokoa ireto olona voasambotra ireto ary atolotra eny anivon’ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovàna.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici