- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFakàna an-keriny tao Anjozorobe : Telo mianaka avotra, olona valo voasambotra

Fakàna an-keriny tao Anjozorobe : Telo mianaka avotra, olona valo voasambotra

Nahatratra valo hatreto ireo olona nosamborin’ny zandary fehezin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central (IC), voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, ankoatra ireo izay sahy nifanehatra ka maty voatifitra moa mazava ho azy. Avotra soa aman-tsara kosa ireo telo mianaka, izay fantatra fa nalain’ny dahalo an-keriny ny voalohandohan’ny volana lasa teo. Niha-nirongotra indray tato ho ato izay ny resaka fakàna an-keriny tany amin’iny distrik’Anjozorobe iny, izay lasa mampikaikaika ny vahoaka any an-toerana. Antony iray nirotsahan’ny kaomandin’ny vondrontobim-paritra IC an-tsehatra mihitsy, hanenjika ireo dahalo sy handrindra ireo fibaikoana eny ifotony. Raha tsiahiviana tokoa mantsy dia ny 9 mey lasa teo dia nitrangan’ny fakàna an-keriny tao Antsakamaina, kaominina Anjozorobe. Telo mianaka ny lasa tamin’io fotoana io ary nitaky vola manodidina ny 15 tapitrisa ariary teo ho eo ireo olon-dratsy. Rehefa natao ny fanadihadiana isan-karazany dia fantatra fa tany amin’iny kaominina Ambohimirary iny no nanafenan’ireto olon-dratsy ireto olona nalain’izy ireo an-keriny ireo. Natao ny paik’ady isan-karazany, ny fametrahana vela-pandrika tany an-toerana ary ny fitsirihana ireo karazan’antso nifandraisan’ireo olon-dratsy tamin’ireo fianakaviana nitakian’izy ireo vola. Nahitam-bokany moa izany satria dia avotra soa aman-tsara ary efa tafaverina eny anivon’ny fianakaviany isanisany avy ireto olona lasibatra ireto : lehilahy anankiroa 47 sy 39 taona ary zazavavikely 13 taona, ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’izay kosa dia fantatra fa nisy olona maromaro ihany voarohirohy tamin’izany resaka fakàna an-keriny izany. « Hatreto, hoy ny fampitam-baovao, dia miisa valo izy ireo, saingy azo heverina fa tsy maintsy hitombo, satria mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo ambiny ». Marihina tokoa mantsy fa andian-jiolahy manodidina ny folo, nitondra basy sy zava-maranitra no nanatanteraka ity fakàna an-keriny ity. Tsy azo ihodivirana, araka izany, fa tsy maintsy mbola misy namany miriaria any. Efa nentina niakatra taty an-drenivohitra avokoa ireto olona voasambotra ireto ary atolotra eny anivon’ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovàna.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici