Olona telo mianaka no maty voatototry ny tany teo am-pitrandrahana volamena tao Albemoka, fokontany Ambodibonara, any amin’ny kaominina albanivohitra Berivotra 5/5, avaratra andrefan’Ikalamilotra be, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanana, ny alakamisy 20 aprily 2023 lasa teo, tokony tamin’ny 11 ora antoandro. Telolahy ireto olona nodimandry ireto. 67 taona ny rainy. Ary 13 sy 17 taona kosa ny zanany. Efatra mianaka izy ireo no niara-nitrandraka volamena, saingy ny telo no tra-doza. Niezaka nanao izay tratrany amin’ny fanavotana azy ireo ny zandary sy ny fokonolona, saingy tsy tana ny ainy izy telo. Efa nentina natolotra ny fianakaviana moa ny razana taorian’ny fizahana nataony mpitsabo any an-toerana.
Ratantely