Fianakaviana iray no very omby 11 isa ny alin’ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny fokontany Dango, kaominina Faratsiho. Tsy nisy nahare ny namoahan’ireo dahalo ny omby ny iray tanàna raha ny vaovao voaray tany an-toerana. Ny tompon’omby ihany no nahatsikaritra nadritra io alina io fa foana ny vala ka nanao akora lava. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona ka omby roa no taraiky tsy lasan’ireo dahalo teny an-dalana ka tafaverina. Nitohy ny fanarahan-dia saingy tsy nahitam-bokany intsony tamin’io fotoana io.
Ny alahady lasa teo anefa , nahatsikaritra vahiny hafahafa nividy mofagasy 80 isa ny mpivarotra iray tao amin’ny fokontany Ambohitsapana, kaominina Ambohiborona. Nampandre ny manodidina ity farany ary narahin’ny fokonolona ny toerana nalehany. Tsikaritry ny fokonolona fa niditra anaty vohitra ilay nividy mofo gasy ary indreo fa tazana ny roa lahy hafa miambina ny omby. Araka ny vaovao voaray hatrany dia voalaza fa nanohitra ireo fokonolona izy roa lahy ireto ka izao niharan’ny fitsaram-bahaoaka izao ary samy maty avokoa raha toa ka tafaporitsaka ny iray.
Taverina noho izany ny omby 9 ambiny saingy voatery nogiazana nampidirina ambalan-tsazy satria voalaza fa tsy ara dalàna ny taratasiny.
Efa an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny ary andrasana izay mety ho tohiny satria somary hafahafa ihany raha omby miisa 9 no tsy misy taratasy ara dalàna.
Tsy fanta-piaviana ary tsy nisy taratasy namantarana azy izy roa lahy matin’ny fokonolona ary nalevina ny alatsinainy teo, tao Ambohitsapana ihany, ny razana.
Andry N.