- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFaratsiho : Roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Faratsiho : Roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Fianakaviana iray no very omby 11 isa ny alin’ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny fokontany Dango, kaominina Faratsiho. Tsy nisy nahare ny namoahan’ireo dahalo ny omby ny iray tanàna raha ny vaovao voaray tany an-toerana. Ny tompon’omby ihany no nahatsikaritra nadritra io alina io  fa foana ny vala ka nanao akora lava. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona ka omby roa no taraiky tsy lasan’ireo dahalo teny an-dalana ka tafaverina. Nitohy ny fanarahan-dia saingy tsy nahitam-bokany intsony tamin’io fotoana io.

Ny alahady  lasa teo anefa , nahatsikaritra  vahiny hafahafa nividy mofagasy 80 isa ny mpivarotra iray tao amin’ny fokontany Ambohitsapana, kaominina Ambohiborona. Nampandre ny manodidina ity farany ary narahin’ny fokonolona ny toerana nalehany. Tsikaritry ny fokonolona fa niditra anaty vohitra ilay nividy mofo gasy ary indreo fa tazana ny roa lahy hafa miambina ny omby. Araka ny vaovao voaray hatrany dia voalaza fa nanohitra ireo fokonolona izy roa lahy ireto ka izao niharan’ny fitsaram-bahaoaka  izao ary samy maty avokoa raha toa ka tafaporitsaka ny iray. 

Taverina  noho izany ny omby 9 ambiny saingy voatery nogiazana nampidirina ambalan-tsazy  satria voalaza fa tsy ara dalàna ny taratasiny.

Efa an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny ary andrasana izay mety ho tohiny satria somary hafahafa ihany raha omby miisa 9 no tsy misy taratasy ara dalàna.

Tsy fanta-piaviana ary tsy nisy taratasy namantarana azy izy roa lahy matin’ny fokonolona ary nalevina ny alatsinainy teo, tao Ambohitsapana ihany, ny razana.

Andry N. 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici