Rahampitso no hiakatra fitsarana eny Anosy ny raharaha namonoana an’i Ntsoa tao amin’ny tarika VHF raha tsy misy ny fiovana. Anisan’ny teo-draharaha be mpanaraka izy ity, satria dia tahaka ireny amin’ny horonantsary mihitsy. Olona dimy no nahiditra am-ponja vonjimaika ka ny 4 eny Antanimora, ahitana ny vehivavy iray antsoina hoe Valeria sy ny vadiny, ny mpiambina ny ny garazy miisa roa ary mpamily iray kosa eny Tsiafahy. Tsiahivina fa ny talata 8 novambra 2022 no nisehoan’ity raharaha famonoana ity. Hita teny amin’ny tetezana Ambohimanarivo tao anaty fiara ny razana. Nihazakazaka ny toe-draharaha ka niafara tamin’ny fisamborana ireo olona dimy ireo. Andrasana ny fitsarana.
Yv Sam