- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha famonoana an’i Tsoa VHF : Hiakatra fitsarana rahampitso izao ny raharaha

Raharaha famonoana an’i Tsoa VHF : Hiakatra fitsarana rahampitso izao ny raharaha

Rahampitso no hiakatra fitsarana eny Anosy ny raharaha namonoana an’i Ntsoa tao amin’ny tarika VHF raha tsy misy ny fiovana. Anisan’ny teo-draharaha be mpanaraka izy ity, satria dia tahaka ireny amin’ny horonantsary mihitsy. Olona dimy no nahiditra am-ponja vonjimaika ka ny 4 eny Antanimora, ahitana ny vehivavy iray antsoina hoe Valeria sy ny vadiny, ny mpiambina ny ny garazy miisa roa ary mpamily iray kosa eny Tsiafahy. Tsiahivina fa ny talata 8 novambra 2022 no nisehoan’ity raharaha famonoana ity. Hita teny amin’ny tetezana Ambohimanarivo tao anaty fiara ny razana. Nihazakazaka ny toe-draharaha ka niafara tamin’ny fisamborana ireo olona dimy ireo. Andrasana ny fitsarana.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici