- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilÀ lireAndron’ny 08 martsa eto Toamasina : “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena...

Andron’ny 08 martsa eto Toamasina : “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso…”

Nivoaka omaly nandritra ny fananganan-saina teo anoloan’ny lapan’ny faritra atsinanana eo amin’ny araben’ny fahaleovantena, ny filazana ny fandaharam-potoana momba ny andron’ny 08 martsa atao eto Toamasina ny fankalazana nasionaly. “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso…”, izay no loha-hevitra noraisina amin’ity fankalazana ity; ka araka ny fandaharam-potoana dia “carnaval” miainga eo amin’ny CJST na CRJS teo aloha ny filaharana manomboka amin’ny 06ora sy sasany izay andraisan’ny fikambanam-behivavy maro anjara. Raha ny fandaharana dia amin’ny 08ora ny fotoana eny amin’ny “Esplanade”-ny MIAMI, fa amin’ny 09ora maraina ny fanombohan’ny lanonana eny amoron-dranomasin’I Toamasina. Ankilan’izany ny fambolena zanakazo eto Toamasina, hisy koa ny trano eva atao ho an’ny vehivavy ny faritra 24 eto Toamasina, ary tsy adino ny fotoam-bavaka atao ao amin’ny EKAR “Notre Dame de Lourde” Anjoma. Ankilan’izany dia misy hatrany ny fandaharam-potoana ho an’ny fikambanam-behivavy samy hafa ao anatin’izany eto Toamasina, isan’izany ny fikambanam-behivavy ny seranan-tsambon’I Toamasina anao asa sosialy. Manao fanentanana mikasika ity fankalazana nasionalin’ny 08 martsa eto Toamasina ity ny governora ny faritra, mba samy handray anjara ny rehetra ao anatin’izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici