- Publicité -
dimanche, septembre 27, 2026
- Publicité -
AccueilÀ lireAndron’ny 08 martsa eto Toamasina : “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena...

Andron’ny 08 martsa eto Toamasina : “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso…”

Nivoaka omaly nandritra ny fananganan-saina teo anoloan’ny lapan’ny faritra atsinanana eo amin’ny araben’ny fahaleovantena, ny filazana ny fandaharam-potoana momba ny andron’ny 08 martsa atao eto Toamasina ny fankalazana nasionaly. “Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso…”, izay no loha-hevitra noraisina amin’ity fankalazana ity; ka araka ny fandaharam-potoana dia “carnaval” miainga eo amin’ny CJST na CRJS teo aloha ny filaharana manomboka amin’ny 06ora sy sasany izay andraisan’ny fikambanam-behivavy maro anjara. Raha ny fandaharana dia amin’ny 08ora ny fotoana eny amin’ny “Esplanade”-ny MIAMI, fa amin’ny 09ora maraina ny fanombohan’ny lanonana eny amoron-dranomasin’I Toamasina. Ankilan’izany ny fambolena zanakazo eto Toamasina, hisy koa ny trano eva atao ho an’ny vehivavy ny faritra 24 eto Toamasina, ary tsy adino ny fotoam-bavaka atao ao amin’ny EKAR “Notre Dame de Lourde” Anjoma. Ankilan’izany dia misy hatrany ny fandaharam-potoana ho an’ny fikambanam-behivavy samy hafa ao anatin’izany eto Toamasina, isan’izany ny fikambanam-behivavy ny seranan-tsambon’I Toamasina anao asa sosialy. Manao fanentanana mikasika ity fankalazana nasionalin’ny 08 martsa eto Toamasina ity ny governora ny faritra, mba samy handray anjara ny rehetra ao anatin’izany.

Malala Didier

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici