- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMaintirano : Olona efatra nalain’ny dahalo an-keriny

Maintirano : Olona efatra nalain’ny dahalo an-keriny

Avotra soa aman-tsara, teny am-pelan-tanan’ireo mpaka ankeriny izy ireo.

« Nandrahona ny fianakaviana anefa ireto jiolahy ny hamerina ireto mpitandro filaminana fa raha tsy izany dia ho vonoiny ireto olona nentiny …»

Manjaka tanteraka ankehitriny ity resaka fakàna an-keriny olona ity ataon’ny dahalo ity, rehefa tapin-dalan-kaleha tamin’ny halatr’omby izy ireo. Tany amin’iny faritra Melaky iny indray, tao amin’ny distrikan’i Maintirano dia olona miisa efatra no nalain’ireo dahalo an-keriny tao amin’ny fokontanin’i Bemena, kaominina Andrea, ny faran’ny herinandro teo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny zoma tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro teo no nosakanan’ireo olon-dratsy tao avaratry ny tananan’i Bemena ireto olona maromaro niaraka tafara-dalana. Andian-jiolahy nirongo fiadiana ireto farany ka tsy afa-nanoatra ireto lasibatra ireto. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nalain’izy ireo an-keriny ny sasany tamin’ireo olona ireto raha navelany nanohy ny diany ny hafa. Ireto farany no avy hatrany dia nampandre ny mpitandro filaminana tany an-toerana.

Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, nahitàna ny zandary, ny miaramila ary ny pôlisy, nametraka paik’ady ny amin’ny fanarahan-dia sy ny famonjena ireo olona lasa an-keriny. Nisy sakana eraky ny lalana ary nohodidinina ny alan’Analakinapa, izay fantatra fa nitondran’ireo olon-dratsy ireo olona nalain’izy ireo. Fantatr’ireo olon-dratsy tsara fa efa manaraka azy ireo, ny mpitandro filaminana ka nandefa fandrahonana tamin’ireo fianakavian’ireo olona teny am-pelan-tanany izy ireo, saingy tsy nampihemotra ireo mpanenjika. Nandritra ny roa andro ny fanarahan-dia ary ny marain’ny alahady teo no votsotra ny ankizivavy iray 15 taona. Ity farany no nahalalana fa mbola misy olona hafa miisa telo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy. Nitohy hatrany araka izany ny fanarahan-dia, ka tsy ela fa ny tolakandron’io andro io ihany dia votsotra ihany koa ireo telo ambiny. Avotra soa aman-tsara, tsy misy nisy nanombinana ireto olona lasa an-keriny ireto, raha ny tati-baovao hatrany.

Marihana fa nametraka paik’ady vaovao ireo mpitandro filaminana hiadiana amin’ity resaka fakàna an-keriny eny ambanivohitra ity. Rehefa avotra soa aman-tsara ireto lasibatra dia hiroso amin’ny hetsika famongorana ireo mpanao ratsy izy ireo, hoy ny vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici