
« Poste Avancé » vaovao izay mipetraka eo amin’ny fokontanin’Antanetibe no notokanana ny herinandro lasa teo. Sady tsara ny trano no arifomba. Misy hatramin’ny « wifi ». kihon-dàlana izay mampisaraka an’Ambohimalaza, Anjeva ary Ambohimanambola io toerana io ary tena stratejika tsara amin’ny ady amin’ny olon-dratsy. Ny fiaraha-miasan’ny zandary tamin’ny sehatra tsy miankina no nahavitàna ilay fotodrafitasa. Tsiahivina fa eo ambany fifehezan’ny zandary Ambohimalaza io P.A io.
D.R