Hataraina ny an’ireo mponina sendra nahita ireo olona 15 isa voakaikitry ny alika iray, tany amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny marainan’ny alarobia faha-26 novambra taona 2025 teo. Ny angom-baovao voaray no nahalalana fa manenjika ny olona tazany eny an-dalana ny alika iray, sady tonga dia manaikitra avy hatrany. Tamin’izay indrindra no nahavoakaikitra azy 15. Zaza avokoa ny 11 amin’izy ireo, ary efa manaraka fitsaboana sahaza any amin’ny tobim-pahasalamana Ambatondrazaka ireo naratra. Ny afak’omaly ihany dia efa nandraisana fepetra ny alika mirenireny rehetra any Andriamena.
Ratantely





