Hataraina ny an’ireo mponina sendra nahita ireo olona 15 isa voakaikitry ny alika iray, tany amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, faritra Betsiboka, ny marainan’ny alarobia faha-26 novambra taona 2025 teo. Ny angom-baovao voaray no nahalalana fa manenjika ny olona tazany eny an-dalana ny alika iray, sady tonga dia manaikitra avy hatrany. Tamin’izay indrindra no nahavoakaikitra azy 15. Zaza avokoa ny 11 amin’izy ireo, ary efa manaraka fitsaboana sahaza any amin’ny tobim-pahasalamana Ambatondrazaka ireo naratra. Ny afak’omaly ihany dia efa nandraisana fepetra ny alika mirenireny rehetra any Andriamena.
Ratantely





Purée !!!!
C’est très GRAVE CÀ !!!
Comment un seul FANDROAKA peut mordre 15 personnes ?!!!
CÀ doit être un ALIKA ENRAGÉ ?!!!
J’espère que toutes les personnes concernées ont été prises en charge sur le plan MÉDICAL ?!!
C’est plus un ALIKA CÀ !!!
C’est un LYON!!!