- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna :  Potika sy feno lavadavaka ny lalana no tsy misy fandraisana andraikitra

Maevatanàna :  Potika sy feno lavadavaka ny lalana no tsy misy fandraisana andraikitra

 Ankoatran’ny lalana potika vokatry ny rotsak’orana misy mihazo eny amin’ny hôpitaly Ambodimadiro miala avy eo amin’ny ponebe sy ny lalana ratsy feno lavadavaka mandeha eny amin’ny «  CHCRR Morafenokely dia anisan’ny miteraka olana ihany koa ny fifamoivoizana eny amin’ny tetezana ambony sy ambany, ao amin’ny fokotan’Ambatofotsy sy ny lalam-pirenena fahefatra, eo akaikin’ny Toyota Andranomangatsiaka, ary ny eny akaiky ny tobim-tsolika TOTAL, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Noho io tranga io dia manao antso avo ireo olom-belona sy ny mpitondra fiara, bajaja, môtô na togon-droa, boreta, bisikaleta, kalesa, izay mampiasa ny lalana ratsy voakasika mba hisian’ny fandraisana andraikitra maharitra, ataon’ireo tompon’andrakitra tandrify aty an-toerana.

 Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici