Ankoatran’ny lalana potika vokatry ny rotsak’orana misy mihazo eny amin’ny hôpitaly Ambodimadiro miala avy eo amin’ny ponebe sy ny lalana ratsy feno lavadavaka mandeha eny amin’ny « CHCRR Morafenokely dia anisan’ny miteraka olana ihany koa ny fifamoivoizana eny amin’ny tetezana ambony sy ambany, ao amin’ny fokotan’Ambatofotsy sy ny lalam-pirenena fahefatra, eo akaikin’ny Toyota Andranomangatsiaka, ary ny eny akaiky ny tobim-tsolika TOTAL, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra. Noho io tranga io dia manao antso avo ireo olom-belona sy ny mpitondra fiara, bajaja, môtô na togon-droa, boreta, bisikaleta, kalesa, izay mampiasa ny lalana ratsy voakasika mba hisian’ny fandraisana andraikitra maharitra, ataon’ireo tompon’andrakitra tandrify aty an-toerana.
Ratantely




