- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsMaevatanàna : Tsy diso anjara tamin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny zon'ny...

Maevatanàna : Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana Betsiboka

15 Martsa 2026

Andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa. Anisan’ny mankalaza izany isika eto Madagasikara, ka tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany ny teo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana Betsiboka. Noentina nanamarika izany, hoan’ny marina Alahady faha 15 Martsa lasa teo iny, tokony tamin’ny sivy ora, teny Atsimo/Atsinanana ny 15-Coco, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany ny fandoroana ireo entana efa lany andro sy tsy azo ampiasaina intsony, izay hita sy tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ireo ekipa, ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana eto Betsiboka. Ny fanatanterahana ny fandoroana ny entana lany daty teto moa dia natrehan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eto Maevatanàna an-tapon-tanàna sy ny solotenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny lohahevitra nanamarina andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa tamin’ity taona ity ny hoe: Vokatra voamarina, mpanjifa mahatoky.

Ratantely

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici