
15 Martsa 2026
Andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa. Anisan’ny mankalaza izany isika eto Madagasikara, ka tsy diso anjara tamin’izany fankalazana izany ny teo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana Betsiboka. Noentina nanamarika izany, hoan’ny marina Alahady faha 15 Martsa lasa teo iny, tokony tamin’ny sivy ora, teny Atsimo/Atsinanana ny 15-Coco, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany ny fandoroana ireo entana efa lany andro sy tsy azo ampiasaina intsony, izay hita sy tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ireo ekipa, ao amin’ny fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana eto Betsiboka. Ny fanatanterahana ny fandoroana ny entana lany daty teto moa dia natrehan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny eto Maevatanàna an-tapon-tanàna sy ny solotenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny lohahevitra nanamarina andro iraisam-pirenena hoan’ny zon’ny mpanjifa tamin’ity taona ity ny hoe: Vokatra voamarina, mpanjifa mahatoky.
Ratantely


