- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna :  Polisy miisa enina miandahy no nametrahana galona

Maevatanàna :  Polisy miisa enina miandahy no nametrahana galona

Notanterahana ny Sabotsy faha 21 Marsta taona 2026 teo iny, tokon’ny tamin’ny sivy ora sy sasany maraina ny fametrehana galona vaovao hoan’ireo polisy miisa enina mianadahy, miasa ato anatin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka. Nakarina ho sokajy  » Agent de Police 1 er echellon, raha Agent de Police Satagiare izy ireo teo aloha, izay misalotra ny promotion:  » Mahefa.  » Niarahaba azy ireo ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Betsiboka Commissaire de Police RAMBELOMANANA Grimond teto, ary nanambara nanao hoe: Tsy mora ny lalana nodiavinareo, ary mbola hodiavinareo, ka nefa tsy voninahitra fotsiny ny galona fa adidy lehibe. Satria ianareo no ho fitaritra hoan’ny mpiara-miasa sy ny vahoaka amin’ny fitondran-tenanareo, ny fahitsianareo no hamaritra ny hasin’ny polisy. Aoaka tsy hadinoinareo fa ny andraikitra voalohany dia miaro manampy vahoaka, mitandro ny filaminana, manaja ny lalàna, ary mitaky fahaiza-manao, fahendrana sy fahavononana hatrany ny asa ataonareo, hoy hatrany ity farany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, ho azy ireo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici