Notanterahana ny Sabotsy faha 21 Marsta taona 2026 teo iny, tokon’ny tamin’ny sivy ora sy sasany maraina ny fametrehana galona vaovao hoan’ireo polisy miisa enina mianadahy, miasa ato anatin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Betsiboka. Nakarina ho sokajy » Agent de Police 1 er echellon, raha Agent de Police Satagiare izy ireo teo aloha, izay misalotra ny promotion: » Mahefa. » Niarahaba azy ireo ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka eto Betsiboka Commissaire de Police RAMBELOMANANA Grimond teto, ary nanambara nanao hoe: Tsy mora ny lalana nodiavinareo, ary mbola hodiavinareo, ka nefa tsy voninahitra fotsiny ny galona fa adidy lehibe. Satria ianareo no ho fitaritra hoan’ny mpiara-miasa sy ny vahoaka amin’ny fitondran-tenanareo, ny fahitsianareo no hamaritra ny hasin’ny polisy. Aoaka tsy hadinoinareo fa ny andraikitra voalohany dia miaro manampy vahoaka, mitandro ny filaminana, manaja ny lalàna, ary mitaky fahaiza-manao, fahendrana sy fahavononana hatrany ny asa ataonareo, hoy hatrany ity farany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony, ho azy ireo.
Ratantely




