Lehilahy iray mpivaro-mandeha, izany hoe mpivarotra hani-masaka, no nendahana vehivavy mpampanofa fahafinaretana, noho ny resaka vola tsy voaloha. Lasa nivoaka imasom-bahoaka ny tsiambaratelo teo amin’izy ireo, satria mpanao trosa amin’ilay mpivarotr hani-masaka io mpampanofa fahafinaretana io ary mandoa vola hatrany izy isaky ny manana. Nihitatra anefa izany taty aoriana satria nanita-tsaina ilay mpivarotra hani-masaka ; ka mba nangataka nitrosa fahafinaretana tamin’ilay vehivavy. Resaka 60.000 Ariary no nifanarahana ; ka aloa 2.000 Ariary izany mpandra-pandoa azy manotolo. Tamin’ny fandoavana ny vola taty aoriana, izany hoe vao dimy andro no vita, dia nitsoatsoaka ilay tovolahy satria telo volana taty aoriana tsy mbola voaloa ny vola ; ka niafara tamin’ny fakana ny entam-barotra namidin’ilay tovolahy teny amoron-dranomasina. Niala maina ilay tovolahy satria tena tsy nanaiky hatramin’ny farany ilay tovovavy. Hitory eny amin’ny mpitandro filaminana moa tahotra ny ho afa-baraka, dia nody niala maina, sy tsy nitondra vola nody satria lasa ihany koa hatramin’ny volamaty, ary afa-baraka tamin’ireo nahita ny raharaha teny amoron-dranomasina.
Malala Didier




